Fomba iray entina mampandroso ny firenena malagasy ny fanomezan-danja ny sehatry ny famokarana. Nanambara ny depiote Rajerison Antoine fa tokony hiezaka ny mpitondra hamerina izany fa tsy hanafatra entana lava any ivelany.
“Mila hiverenana ny famokarana raha mieritreritra ny hampandroso an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy ao anatiny”, hoy ny depiote voafidy tany amin’ny disitrikan’Arivonimamo, Rajerison Antoine, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa tokony harindra ihany koa ny lalam-barotra satria izay no antoka iray ahafahana mamelona sy ahafahan’ny rehetra miasa ary ahafahana mampiakatra ny PIB ihany koa. Atao izany mba hahafahana mampitombo ny hetra mankany amin’ny fanjakana sy hampandrosoana ny tanindrazana.
Nangataka ity solombavambahoaka ity ny tokony hijerena sy handrindrana ny lalam-barotra eo amin’ireo vokatra fanondrana rehetra misy eto Madagasikara, toy ny lavanila sy ny jirofo, ihany koa. Ilaina ny fanaovana izany ho marin-toerana sy hatsaraina ny vidim-bokatra tena ilain’ny olona ary hahafahana mampidi-bola ho an’ny tantsaha sy ny tanindrazana.

Ilaina ny fampiasana vola hanodinana vokatra
Amin’ny ankapobeny, manafatra entana sy vokatra maro any ivelany i Madagasikara. Anisan’izany ny menaka, ny lafarina, ny vary sy ny maro hafa. “Hafarana avokoa ny zava-drehetra nefa zavatra azo vokarina eto an-toerana izany rehetra izany”, hoy ity solombavambahoaka ity. Nambarany fa ilaina ny fijerena ny lalam-barotra sy ny fanaovana ny vidim-bokatra ho tsara sy ho marin-toerana. Ahafahana mampidi-bola ho an’ny tanindrazana ihany koa ny fanaovana izany. Ankoatra izay, ezahina ny manodina ireo vokatra isan-karazany eto an-toerana, ny fananganana orinasa… Zava-dehibe ny fampiasana vola ao anatin’izany mba hahafahana manodina ny vokatra misy eto. “Vokatra efa voahodina no ahondrantsika any ivelany fa tsy voatery ho ireo akora fototra ireo ihany”, hoy Rajerison Antoine. Voakasik’ izany, ny vokatra toy ny lavanila, ny jirofo sy ny maro hafa.
Nolazainy fa anisan’ny manana vokatra enti-mamokatra menaka ny eto amin’ny firenena. Vokatra iray tena hafaran’i Madagasikara avy any ivelany ny menaka satria tena ilain’ny vahoaka. Manoloana izany, tsy tokony ho sakana ho an’ny Malagasy ny mamokatra menaka amin’ny alalan’ny vokatra misy eto an-toerana. Mbola hahazoana vokatra hafa izay azo ampiasaina ihany koa ny fanaovana izany, toy ny torto soja, izay tena ilain’ny orinasa manodina sakafom-biby sy ny maro nefa mbola hafarantsika avokoa.
Misy tombontsoa ny famokarana eto an-toerana
Rehefa mamokatra eto an-toerana ny firenena dia lasa mamboly zavatra maro ny tantsaha. Arakaraka ny filan’ ny olona sy ny firenena ny voly ataony. “Raha omena vahana ny fanodinana sy famokarana ny vokatra eto an-toerana fa tsy manome sehatra lava ny fanafarana entana any ivelany, mitarika ny tantsaha hamboly betsaka kokoa izany”, hoy hatrany izy. Miteraka vokatsoa maro izany, indrindra eo amin’ ny lafiny toekarena satria lasa mivarotra ny vokatra any amin’ ny orinasa mpanodina ireo tantsaha. Etsy ankilany, mampiasa olona marobe ihany koa ilay orinasa. Mihodina eto an-toerana ny vola, noho izany, velona sy afaka miaina tsara ny mponina manoloana izany. Rehefa mihodina eto an-toerana ny vola dia afaka manatanteraka ny faniriany sy ny adidy miandry azy rehetra ny isam-batan’olona. Ankoatra izay, afaka maka hetra amin’ ireny orinasa ireny ny fanjakana. Afaka manome tamberin’ andraikitra ny mponina amin’ ny alalan’ny fanaovana fotodrafitrasa maro samihafa ihany koa, toy ny lalana, tetezana, lakandrano sy ny tetikasa maro ilaina ho fampandrosoana ny firenena. Nohamafisiny fa rehefa tsy hamorona asa ny eto Madagasikara dia tsy hihodina mihitsy izany rehetra izany. “Variana amin’ny tontolon’ny politika politisianina ny rehetra ka hadino ny tontolon’ny famokarana”, hoy izy nanamafy.
Mino




