Lemaka Dabara: Ho voajary ny velarantany 20 000 ha

Anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ny tohodrano any Dabara. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena samihafa ny fahavitany.

Nidina ifotony tany amin’ ny faritra Menabe sy Melaky ny minisitry ny Fambolena sy fiompiana (Minae), ny herinandro lasa teo. Anisan’izany ny lemak’i Dabara Morondava, faritra Menabe, manondraka velaran-tany 12 000 ha, amin’izao fotoana izao. Misy, ankehitriny, ny tetikasa hanarenana sy hanatsarana azy, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana. Ani­san’ny asa hatao ny fanadiovana sy ny fanalana ny fasika amin’ny lakandrano. Eo koa ny fanadihadiana sy fanomba­nana ny asa hanatanterahana azy. Hisy ny dinikasa iarahana amin’ny mpamatsy vola hiarahana miasa, mialoha ny asa. Vinavinaina hanondraka velaran-tany 20 000 ha ny tohodranon’i Dabara, raha vita tanteraka ny asa, afaka hampiakatra ny vokatra.
Anisan’ny nojeren’ny minisitra ihany koa ny famitana ny fananganana tohodrano lehibe iray any Antsalova, faritra Me­laky. Hanondraka velaran-tany 1 200 ha ity fotodrafitrasa ity rehefa vita tanteraka. Anisan’ ny efa azo ampiasaina amin’ izao fotoana izao ny fitaovana mekanika, toy ny trakitera vaventy.
« Diaben’ny Famokarana »

Manampy ireo, nanatrika ny fotoan-dehibe, « Diaben’ny famokarana », tany Mahabo, faritra Menabe ny minisitra, ny sabotsy 2 aogositra. Miisa 3 000 ny tantsaha nandray anjara, nahi­tana fikambanam-behivavy 16. Marihina fa anisan’ny atao mandritra ny « Diaben’ny famokarana » ny fitetezana faritra sy distrika. Misy ny fampiofanana ny tantsaha, momba ny teknikam-pamokarana toy ny teknika Pfumvudza, ny Papriz, ny fizarana masomboly sy zanaka akoholahy, sns. Tanjona, ny hampitomboana ny vokatra sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny fomba maharitra. Natao izany hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: