Mahajanga: Hitarina ny seranan-tsambo

Mandeha ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Natomboka ny 7 marsa teo ny asa, ary hita ny fivoarana. Efa manomboka ny fanorenana fitahirizan’entana, magazay lehibe. Vonona sy voaomana ny fitaovana rehetra hanalavana ny fian­tsonana (quai) ny fiaingana sy ny fahatongavan’ny sambo. Eo am-pananganana ny trano hatao biraon’ny mpiasa ho an’ny fitantanana isan-karazany, ankehitriny. Maharitra 12 volana ny faharetan’ny asa rehetra, izany hoe, ho vita amin’ny volana febroary 2026. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafi­dison Richard Théodore, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana, ny herinandro lasa teo, fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana nifanarahana. « Raha ilaina dia hiasa hatramin’ny alina mba hanatrarana ny tanjona », hoy izy.
Hitombo ny fahafahan’ny sambo vaventy miatrana aorian’ ny fanitarana atao. Hihatsara ny fivoahan’ny entana aondrana any ivelany sy ny fidirany ao an-tseranana. Hitombo ny vola hiditra amin’ny faritra Boeny sy ny fanjakana. Manatanteraka ny asa ny orinasa CRBC, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola amin’ny alalan’ny tetikasa CERC-PCMCI.

Njaka A.

Partager sur: