VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fanomanana ny fivorian’ny Sadc. Nihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny manampahaizana manokana momba ny « Drafitra stratejika ho an’ny fampandrosoam-paritra » (RISDP). Tari-dalana mamaritra ny laharam-pahamehana ao amin’ny Sadc ity RISDP ity.

Distrika faha-50 notsidihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, ny any Miandrivazo,
faritra Menabe. Faritra fahenina nanatanterahana ny hetsika « Diaben’ny Famokarana ». Maherin’ny 2 000 ny tantsaha nanatrika ny fiofanana momba ny teknika Pfumvudza, ny Papriz, ny fiompiana sy ny fizarana akoholahikely tany Antsikida.

Nampahafantarina ny paikady mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any amin’ny faritra Fitovi­nany sy Atsimo Atsinanana, ny 1 aogositra teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy fanapariahana ny toromarika ary ny paikady amin’ity sehatra ity. Nana­trika izany ny tomponandraikitry ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Fitantanam-paritra any an-toerana.

Partager sur: