Vita ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc”. Nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fisitrahana ny tombontsoa indostrialy ao anatin’ny tsenam-paritra.
Niara-nikarakara ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2005)” natao ny 28 aogosistra hatramin’ny 2 aogositra teo, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny governemanta malagasy, ny Tonia mpanatanteraka anivon’ny Sadc ary ny Filankevitry ny Sadc. Lohahevitra noraisina ny hoe «Fampivoarana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny fiovana mankany amin’ny angovo azo havaozina mba ho Sadc afaka miatrika ny zava-misy». Maro ny fifampidinihana manan-danja nandritra ireo fotoana ireo. Niompana tamin’ny fanalalahana ny tsena sy ny fanafainganana ny fampisitrahana ny firenena 16 mpikambana amin’ny alalan’ny indostria.
Anisan’ny tena nifantohana ny fanovana mankany amin’ny angovo azo havaozina sy ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Hanome aina ny fampiroboroboana ny indostria ny fizahantany. Manana ny anjara toerany ny fampiasam-bola miompana amin’ny fanamafisana ny fifanakalozam-barotra momba ny rafitra famokarana aty amin’ny tapany atsimon’ i Afrika.
Nisy koa ny atrikasa nandinihina ny famatsiam-bola amin’ny indostrian’ny fambolena, ny toekarena mihodina ary ny fiatrehana ireo rohim-pihariana isam-paritra, amin’ny alalan’ny fikarohana zava-baovao maharitra.
Vokatra malagasy
Anisan’ny nisongadina tamin’ny “SIW 2025” ny famelabelaran’ireo minisitra, Malagasy, miisa 5. Noresahina ny fifandraisana sy ny fifampiankinan’izy ireo, hanamafisana ny fahavononan’i Madagasikara hampiditra ny vokatra sy ny tolotrasa matanjaka ao anatin’ny tsena Sadc, toy ny lavanila, ny kakaô, ny jirofo, ny zavamaniry azo atao fanafody aty Afrika.
Nampahafantarina ny fampiasam-bola eto Madagasikara miaraka amin’ny tsy miankina. Nisy koa ny fotoana nifampidihan’ny Sadc sy India, nijerena ny fiaraha-miasan’ny firenena tatsimo samy tatsimo.
Njaka Andriantefiarinesy




