Menabe: Mahatratra 21 000 t ny vokatra tsaramaso

Faritra anisan’ny tena ma­mokatra voamaina toy ny tsaramaso, ny kabaro, ny voanjo, sns, ny faritra Menabe. Maha­kasika ny tsaramaso, nahatratra 21 000 taonina ny vokatra tany an-toerana nandritra ny taom-pambolena 2024, raha 10 000 taonina izany tao amin’ny distrika Miandrivazo. Ani­san’ny tena mamokatra tsaramaso ny tantsaha any amin’ny lemak’i Betsiriry, distrika Mian­drivazo. Manoloana izany, ni­fampidinika sy nifanakalo he­vitra tamin’ny teknisianina sy ny tantsaha any an-toerana, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, ny herinandro lasa teo. Noresahina ny fikarohana paikady hanatsarana ny teknikam-pamokarana masomboly tsaramaso. Misy karazany efatra ny masomboly efa vokarina any an-toerana, ary miisa 10 ny tantsaha mamokatra azy io, ankehitriny. Satria, tanjona ny hampiakarana ny vokatra voamaina, anisany ny tsaramaso, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Anisan’ny manohana ny tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fambolena any an-toerana ny tetikasa AD2M, famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hampandrosoana ny fambolena (Fida) sy ny Tahirimbola fampiroboroboana ny fambolena (FDA). Nanampiana ny mpamokatra ny kojakojam-pamokarana masomboly, ny zezika ary ny fitaovam-pamokarana. Tohanana ara-teknika koa ny tantsaha hanatsarana ny fomba fambolena.

Njaka A.

Partager sur: