Asa vaventy: Harenina ny orinasa SMATP

Niorina ny taona 1986 ny orinasa sinoa-malagasy misa­hana ny asa vaventy (SMATP). Maherin’ny 30% ny petrabo­lan’ny fanjakana malagasy ao aminy. Fatiantoka tanteraka no hita ao aminy, ankehitriny, miampy ny tsy fahombiazan’ ny fitantanana nandritra ny taona maro. Natao ny 5 aogositra teo ny fivoriana notarihin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), miaraka amin’ny minisiteran’ ny Asa vaventy (MTP) ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE). Nanatrika tao koa ny filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny SMATP ary ny governoran’ny faritra Analamanga, mitarika ny filankevi-pitantanan’ity orinasa ity.
Vontoatin’ny lahadinika ny hikarohana ny fomba hanarenana ity orinasa misehatra amin’ny asa vaventy ity. Mandray anjara lehibe amin’ny famolavolana ny drafi-panarenana ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanambola, hiantohana ny mangarahara sy ny fahitsiana amin’ny fanatanterahana azy.
Naneho ny fahavononany hanohana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana teknika ny fanjakana sinoa. Efa misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ ny minisitera MEF,ny MTP, ny MAE, ny PCA SMATP ary ny masoivoho sinoa eto Madaga­sikara hanatanteraka izany fanampiana izany. Tanjona ny hametrahana paikady lavitr’ ezaka amin’ny fanarenana ny orinasa.

Njaka A.

Partager sur: