Manana paikady manokana hanarenana ny tontolo iainana sy ho fampandrosoana ny fiarahamonina ny orinasa QMM any Taolagnaro. Voakasik’izany ny fitantanana ny faritra arovana.
Misy ny fifanarahana fiaraha-miasa miisa enina eo amin’ny orinasa sy ny fanjakana malagasy. Mitentina 858 000 dolara ny tetibola atokan’ny QMM amin’ izany, ampiasaina mandritra ny 5 taona. Miompana amin’ny fitantanana ny faritra arovana tantaniny, any Mandena, Sainte-Luce, Petriky sy ireo tohanany ara-bola any Bemangidy Tsitongambarika, sy Agnalazaha Mahabo, distrika Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Ao anatin’ny asa hatao ny fambolen-kazo ho fandraisana andraikitra amin’ ny maha orinasa (RSE) azy. Satria anisan’ny fanoitran’ny toekarena ny fanarenana ny tontolo iainana.
Miisa 800 000 ny zana-kazo hovokarina isan-taona, hiarahana amin’ny mpiara-monina. Miteraka fidiram-bola mivantana ho azy ireo izany. Homena vola 1 000 isaky ny zana-kazo isan’olona. Tafiditra ao anatin’io ny fambolena ny zana-kazo, ny fitaterana azy ary ny karaman’ny mpamboly. Sady mampandray anjara ny mponina amin’ny fanarenana ny zavaboahary koa izao hetsika izao.
Zavamaniry 5 isaky ny 1m2
Manome lanja ny fifamenoana ara-biolojika ny teknika ampiasaina. Zavamaniry karazany 5 isaky ny 1m2 no hovolena, hampisy fiaraha-miaina amin’izy ireo, fa tsy miantehitra amin’ny voly tokana izay tsy mamokatra firy. Mamorona tontolo iainana matanjaka afaka miatrika ny haintany sady manatsara ny tany. Nizarana zana-kazo fihinam-boa sy jiro mandeha amin’ny herin’ ny masoandro ny mponina any Ampasy Nahampoana, ny 18 jolay teo. Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine.
Manantena ny orinasa QMM fa hamadika ireo fanamby ara-tontolo iainana ho fampandrosoana, hametraka ny mpiara-monina ao anatin’ireo tetikasa fanarenana ny zavaboahary.
Njaka Andriantefiarinesy




