Asa tanana : Maro ny manjifa ny vokatra sokitra

Anisan’ny taozavatra malagasy miavaka ny sokitra. Miha maro ny olona liana sy manjifa ny vokatra mandritra ny tsenabe « Fier-Mada 2025 » andiany faha-26, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, nanomboka ny 6 aogositra ary hifarana ny 10 aogositra 2025. Mikendry ny hampifanakaiky sy hampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny mpanjifa mba hampiroboroboana ny fivarotana ny vokatra izany.
Miisa 450 ireo mpandray anjara avy any amin’ny faritra samihafa mampiseho ny asa tanana sy ny vokatra azo avy amin’ity asa tanana ity. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny sokitra Art et Déco Antananarivo, orinasa mpanao asa tanana vita amin’ny hazo. Mampiasa ny fahaiza-manaony sy ny fahaiza-mamorona izy ireo, hanolorana zavatra miavaka sy manokana, araka ny endrika safidian’ny mpanjifa. Nahatsapa tokoa izy ireo fa betsaka noho ny tamin’ny taona lasa ireo olona liana. Maro ny vokatra nentina ary misy ny fihenam-bidy, ka zary nahasarika olona bebe kokoa. Nisitraka izany fitomboan’ny mpanjifa izany avokoa ireo mpamokatra maro hafa mandray anjara amin’ny hetsika. Samy nampiseho ny asa tanana mampiavaka azy isaky ny faritra niaviany ny tsirairay.

Ninah(mpianatr’asa)

Partager sur: