Nanao hetsika goavana ny orinasa Base, tany Mangily, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nitotaly 650 ny olona nanatanteraka « Asa Tagnamaro » tany an-toerana. Fanadiovana faobe nandraisan’ny olona mahatratra 200 anjara, tany amin’ny morontsiraka Mangily, ary 200 hafa tany Ifaty. Nesorina ny fako plastika teny amorontsiraka. Notsipihin-dRtoa Ravaoarisoa Tahina, tomponandraikitry ny tontolo iainana ao amin’ny Base, fa nomena vahana ny vehivavy sy ny zokiolona. Nisy ny fanentanana mahakasika ny voka-dratsin’ny akora plastika amin’ny rohivoahary an-dranomasina. Nilaza i Thomas Herison, olona manana ny maha izy azy ao amin’ny fokontany Mangily, fa fangatahan’ny mponina tamin’ny Base ity hetsika fanadiovana ity. « Antenainay fa hanomboka haingana ny tena asa fitrandrahan’ny Base, mba hiteraka asa ho anay vehivavy », hoy kosa i Josiane Marie Perlette.
Fampandrosoana eny ifotony
Nitohy tamin’ny fanadiovana ny tsenan’i Soajoro sy ny kianja filalaovam-baolina ny andro faharoa. Nahatratra 250 ny olona nandray anjara. Nilaza ny talen’ny sampana tontolo iainana ao amin’ny Base, Rafamantanantsoa Landri, fa ankoatra ny fanadiovana, nentanina ny mponina amin’ny fitantanana ny fako sy ny lanjan’ny fahasalamana. Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana eny ifotony ireo hetsika ireo. Nosandaina 9 000 Ar isan’andro ireo nandray anjara rehetra.
Njaka A.




