Anisan’ny hampiavaka ny « Fier Mada 2025 » ny fisian’ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto amintsika. Ahafahana mahafantatra sahady ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.
Atao eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 6 hatramin’ny 10 aogositra izao, ny Tsenabe iraisam-pirenena “Fier Mada”, andiany faha-26. Nitsidika teny an-toerana, omaly, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Nataony izany hoentina mampiseho ny fanomezan-danja ny ezaka sy ny fanohanana ny tantsaha sy ireo mpisehatra amin’ny famokarana eny ifotony.
Nambarany fa ambohi-pihaonan’ny tantsaha sy ny mpamokatra ity hetsika ity. Ahitana ireo fikambanan’ny tantsaha sy ny mpamokatra, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy. Fotoana ihany koa hitondran’izy ireo mivantana ny vokatra, hikarohana lalam-barotra. Mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) rahateo izany, mifototra amin’ny fanatsarana ny rafi-pamokarana.
Mifanandrify amin’ny fanomanana ny fivoriana an-tampon’ny Sadc rahateo ny «Fier Mada 2025». Zava-dehibe satria i Madagasikara, amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina Andry, no hitarika ny fitantanana ity fikambanana iraisam-pirenena ity, ka hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao. Lohahevitry ny Sadc rahateo ny fijerena ny rafi-pamokarana.
Mpitsidika 100 000
Maherin’ny 450 ny tranoheva mandray anjara amin’ny “Fier Mada 2025”. Nilaza ny mpikarakara, Ramanantsoa Jacques, fa manodidina ny 100 000 ny mpitsidika andrasana, toy ny isan-taona. Hita ao daholo ny avy any amin’ny faritra 24. Ankoatra ny Malagasy, anisan’ny mitsidika eny koa ny vahiny frantsay, sinoa, amerikanina, sns. Nomarihiny fa anisan’ny sahirana ny Malagasy mamokatra ho an’ny amerikanina, satria tonga dia marobe ny famandrihana ataony matetika, ka tsy araka. Antenainy hitsidika eny an-toerana koa ireo delegasionin’ny Sadc efa eto amintsika, manomana ny fihaonambe.
Njaka Andriantefiarinesy




