Airtel Africa : Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa

Nivoaka ny tatitry ny orinasa Airtel Africa tao anatin’ny taom-piasana telo volana (avrily, mey, jona 2025) teo. Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny. Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa, nahitana fitomboana 9%, manerana ny firenena 14 aty Afrika. Nitombo 17,4% ny mpanjifa nisitraka ny tolotry ny Airtel Africa, miisa 75,6 tapitrisa. Anisan’ny nifantohana ny fampihenana ny saran’ny faktiora.
Mivoatra ihany koa ny fikirakirana ara-bola amin’ny alalan’ny finday, satria nitombo 16,1% ny mpanjifa nampiasa ny Airtel Money, miisa 45,8 tapitrisa. Nisy fiakarana 35% ny tetibidin’ny vola nifanakalozana nampiasana finday, mitentina 162 miliara dolara.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny Airtel Africa, fa paikady ampiharina ny hitohizan’ny fampiasam-bolan’ny mpanjifa maharitra. Maherin’ny 2 300 ny masoivoho vaovao napetraka, ka lasa 37 579 ny fitambarany, ankehitriny. Ni­ampy 2 700 km ny halavan’ny tambajotra « fibre optique », ampiasain’ny Airtel Africa, amin’izao fotoana izao, mitotaly 79 600 km.
Eo amin’ny vokatra ara-bola, nitombo 24,9% ny vola nokirakiraina, mitentina 1,415 miliara dolara tao anatin’ny 3 volana farany 2025. Niakatra 23,8 % ny vola nokirakiraina ho an’ny tolotra amin’ny alalan’ny finday. Tafakatra 156 tapitrisa dolara ny tombombarotra tao anatin’ny 3 volana farany, raha 31 tapitrisa dolara ny fe-potoana teo aloha (janoary-marsa).

Njaka A.

Partager sur: