Famatsian-drano : Hahatratra 64 km ny fantson-drano hosoloina eto an-dRenivohitra

Hampitomboina ny famokarana rano eto an-dRenivohitra. Hahatratra 64 km ihany koa ny fantson-drano hosoloina, hampakarana ny tanjaky ny tosiky ny rano.

Dingana sady fanamby lehibe ny paikady hampitomboana ny famokarana rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Hahatratra 50 000 m3 ny rano vokarina eny amin’ny toby vaovao hatsangana eny Amoronankona, izay hovitaina ato anatin’ny 2 taona, izany hoe, amin’ny taona 2027. Anisan’ny nisongadina, nandritra ny fandraisana ny fiarabe mpitatitra rano, miisa 18, teny Andranomena, izany, omaly 8 aogositra. Notsindrin’ny filoha Rajoelina Andry, fa “ho avv izao ny maintany amin’ny septambra sy oktobra. Mitady vahaolana ny fanjakana, ka porofon’izany izao fahazoana fiarabe izao, hampiasaina any amin’ny fokontany mijaly, hialana amin’ny krizin-drano ». Mitotaly 30 izany izao ny fiarabe mitatitra rano eto an-dRenivohitra.
Nilaza koa ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana, Andrianame­lasoa Lalaina, fa efa mandeha ny antso tolobidy hanoloana ny fantson-drano mirefy 64 km eto Antananarivo Renivohitra. Nohazavainy fa efa miasa ny lavadrano miisa 24 amin’ireo tetikasa « forages » miisa 35 eto an-dRenivohitra.
Toby vaovao hamokatra 50 000 m3
Notsiahivin’ny filoha Rajo­e­lina Andry, omaly, fa 300 000 m3 ny filan’Antana­narivo rano, ankehitriny. Tsy mamokatra afa-tsy 200 000 m3 anefa ny Toby Mandroseza I, naorina ny taona 1927. Napetraka ny Mandroseza II, ny taona 2022, namokatra 40 000 m3, tao anatin’ny fotoana nitondrany, niampy ny Mandroseza III (40 000 m3 ihany koa), ny taona 2023. Ary hanampy ireo ny eny Amoronankona, izay hamokatra 50 000 m3, araka ny voalaza etsy ambony. Izany hoe, hitotaly 330 000 m3 ny rano vokarina eto an-dRenivohitra, raha 300 000 m3 ny filàna amin’izao fotoana izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: