Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila.
Nanome fanazavana misimisy kokoa ho an’ny Fadintseranana malagasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa misy ity haba vaovao 15% ity, na ireo ao anatin’ny sata ho an’ny firenena nomena tombondahiny, ny « Nation la Plus Favorisée » (NPF) na ny Agoa, izay mbola sitrahan’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny volana septambra 2025. Tsy voakasik’izany ny entana voatanisa ao amin’ny lisitry ny Tovana II, amin’ny didim-panjakana amerikana lah-14257, nivoaka ny 11 avrily 2025.
Tsy voakasik’ity tataon-ketra ity, ohatra, ny fitaovam-pianarana (boky, antontan-taratasy,…), ny fanomezana ara-tsosialy, ny entana manokana entin’ny mpandeha. Torak’izany koa ny entana sasany mifandraika amin’ny fiarovam-pirenena izay manana ny habany manokana. Tsy tratry ny haba koa ny vokatra harena an-kibon’ny tany, indrindra ireo voasokajy ho akora stratejika.
Iharan’ny 15% ny lavanila
Manampy ireo, iharan’ny haba 15% ihany koa ny lavanila malagasy, na dia voasokajy ho tsy mandoa haba aza ao amin’ny haba fototra (tarif de base) amerikana (NPF Free). Midika izany, fampiharina mitokana ity haba fanampiny ity, na tsy misy aza ny haba fototra.
Miankina amin’ny daty nidiran’ny entana any Etazonia, ny daty nandefasana ny entana ary ny daty namoahana ny entana ao amin’ny haban-tseranana ny taha fanampiny ampiharina.
Njaka Andriantefiarinesy
Ny tatao ampiharina :
*10% ho an’ny entana niditra teo anelanelan’ny 10 avrily sy 6 aogositra 2025.
*10% ho an’ny entana nalefa alohan’ny 7 aogositra 2025 ary tafavoaka alohan’ny 5 oktobra 2025.
*15% ho an’ny entana niditra ao amin’ny seranana any Etazonia na navoaka tao amin’ny ladoany amerikana, nanomboka ny 7 aogositra 2025 tamin’ny 00 ora 01(ora any Etazonia).




