VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto amintsika.

Azo tsidihan’ny daholobe ny « Bazar de la Sadc », hatao eny amin’ny Foibe fampirantiana iraisam-pirenena Enara, Lac Iarivo Ivato, ny 14 hatramin’ ny 18 aogositra ho avy izao. Maro ny tranoheva hita eny an-toerana, ahitana ny taozavatra sy ny kolon­tsaina malagasy sy ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Sadc.

Miisa 60 ny Mpiasa eny ifotony mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA), nahavita fiofanana tany Ambovombe sy Amboasary. Andraikitr’izy ireo ny fisorohana sy ny fitsaboana ny aretim-biby, ny fanatsarana ny vokatra sy ny sakafo, ny fampiharana ny teknika fiompiana ary ny fampitam-baovao amin’ny veterinera.

Partager sur: