Manan-danja ny fisian’ ny Vondrona Sadc, ahitana firenena miisa 16. Natsangana ny tsenam-paritra malalaka hivezivezen’ny entana isaky ny firenena mpikambana.
Natsangana ny taona 1980 ny Vondrona fampandrosoana ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc), manana ny foibeny any Gaborone, renivohitr’i Botswana. Ankehitriny, miisa 16 ny mpikambana, ahitana an’i Afrika Atsimo, Angola, Botswana, Kaomoro, RD Congo (RDC), Lesotho, Magadasikara, Malawi, Maorisy, Mozambika, Namibia, Seychelles, Swazilandy, Tanzania, Zambia ary Zimbabwe. Tanjona nananganana ity vondrona ity ny hanohanana ny fitomboana ara-toekarena, sy hampiroboroboana ny sata ara-toekarena sy sosialy ho an’ireo firenena mpikambana.
Mitotaly 350 tapitrisa ny mponina ao anatin’ny Sadc, manana harinkarena faobe 721 miliara dolara. Mahatratra 185 miliara dolara ny tetibidin’ny fanafarana entana, raha 191 miliara dolara ny fanondranana. Hitarika ny Sadc i Madagasikara mandritra ny herintaona, amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina Andry, manomboka amin’ity volana aogositra ity, izay atao eny amin’y CCI Ivato ny andiany faha-45.

Tsena malalaka
Natsangan’ny Sadc ny taona 2008 ny Tsenam-paritra malalaka (ALE Sadc), tsy andoavana haba, hampiroboroboana ny fifanakalozam-barotra. Misitraka izany daholo ny mpikambana afa-tsy i Angola sy RDC.
Ankoatra ny lafiny fifanakalozam-barotra malalaka eo amin’ireo firenena mpikambana, tombontsoa ho azo koa ny lafiny fizahantany sy ny fifamoivoizana ana habakabaka, indrindra amin’i Afrika Atsimo.
Natsangana ny Fifanakalozam-barotra malalaka aty Afrika (Zlecaf), ka nanao sonia ny fifanarahana ireo firenena 54 ao anatin’ny mpikambana miisa 55 anatin’ny Vondrona Afrikanina (UA). Nisy indray ny fifanarahana fanamafisana azy, nataon’ny firenena miisa 24, ka nanomboka nanan-kery ny taona 2019. Anisan’ny nifanarahana ny tsy maintsy hanafoanana ny 90% ny haban-tseranana ho an’ireo firenena miisa 24 nanao sonia.
Tsy mbola misitraka
Amin’ny ankapobeny, tsy mbola misitraka feno ny tombontsoa azo amin’ny Sadc i Madagasikara. Raha ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena, atsy Afrika Atsimo ny 5,5% ny entana hafaran’i Madagasikara avy any ivelany, ny taona 2023. Avy any Sina ny 17%, Oman (13,5%), Frantsa (11,2%), India (8,7%).
Ho an’ny fanondranana entana mankany ivelany ataon’ i Madagasikara, ny taona 2023, mankany Frantsa ny 14,5%, Etazonia (12,6%), Japana (8,2%), Korea Atsimo (8,2%) ary Sina (8,1%).
Vokatra tena aondran’i Madagasikara any ivelany, ny taona 2023, ny harena ambanin’ny tany, nikela (25, 1%). Teo koa ny lavanila (8, 3%), ny jirofo (7,6%), ny akora ambanin’ny tany hafa (5, 2%) ary ny volamena (3,8%). Entana tena hafarantsika kosa ny vokatra ara-tsolika (18,7%), ny vary (4%), ny menaka (2,4%) ary ny fanafody (2,3%).
Raha aravona, mahatratra ny 61% ny Harikarena faobe (PIB) an’i Madagasikara ny varotra iraisam-pirenena. Amin’ny alalan’ireo hetra sy haba amin’ny fanafarana entana no ahazoana ireo.
Tsena Comesa
Ankoatra ny Sadc, misy koa ny tsenam-paritra hafa, toy ny ho an’ny tapany Atsinanana sy Atsimon’i Afrika (Comesa). Miisa 21 ny firenena mpikambana, ahitana an’i Burundi, Kaomoro, RDC, Djibouti, Egypta, Eswatini, Erythrée, Etiopia, Kenya, Libya, Madagasikara, Malawi, Maorisy, Rwanda, Seychelles, Somalia, Soudan, Tonizia, Ouganda, Zambia, Zimbabwe. Mitotaly 560 tapitrisa ny mponina ao anatin’ny Comesa, manana PIB 768 miliara dolara.
Anisan’ny isitrahan’i Madagasikara ao anatin’ny Comesa, ny fanafarana entana ilaina andavanandro avy any Egypta, toy ny lafarina, ny kojakoja ilaina amin’ny fanorenan-trano, sns. Nitentina 76, 934 tapitrisa dolara ny entana nafaran’i Madagasikara avy any Egypta ny taona 2023, raha 4,392 tapitrisa dolara ny naondrantsika nakany amin’ity firenena ity.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy




