VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fitotonganan’ny Ariary, miohatra amin’ny sandambola euro. Araka ny tarehimarika na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), tafakatra 5 131 Ar ny sandan’ny 1 euro, omaly, raha 5 123 Ar ny 8 aogositra, ary 5 091 Ar ny 1 aogositra. Tsy mihetsika firy, fa manodidina ny 4 438 Ar ny 1 dolara, omaly, raha 4 456 Ar ny 1 aogositra lasa teo.

Tafakatra 44 000 Ar ny vidin’ny saribao iray gony eto an-dRenivohitra, nanomboka ny herinandro lasa teo. Manodidina ny 35 000 Ar ny vidiny tany aloha. Tsy mahazo antsinjarany intsony ny latsaky ny 500 Ar. Nambaran’ny mpaninjara, fa tsy ampy ny vokatra, sa­tria ratsy ny lalana, noho ny erika mirotsaka any am-potony, toy ny any Manjakandriana, Moramanga, Anjo­zorobe.

Miisa 31 ny mpiompy trondro nisitraka fiofanana, any Mahatsinjony, distrika Lalangina, ny 8 aogositra teo. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary. Vonona hampihatra ny fahaizana norantoviny ny mpiompy satria manantena ny hiroborobo ny seha-pihariana hatao sady hitombo ny vokatra.

Partager sur: