“Voie rapide” Ivato: Azo andehanana ny Rond point Don Bosco hatreny Andranotapahina

Efa azo ampiasain’ny be­sinimaro, nanomboka omaly 11 aogositra, ny ampahan-dalana mirefy 4 km, manomboka eo amin’ny fihodinana (rond point) Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mampifan­dray mivantana ny lalam-pirenena faha-4 sy ny arabe La­lan’ny Frankofonia Ambohitri­manjaka mitohy eny Andoha­ta­penaka ity lalana vaovao ity. Malalaka ny arabe, mirefy 12 metatra ny sakany, ka natao ho an’ny fiara ny 7 metatra, ary misy lalana manokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisiny roa.
Nilaza ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, fa « dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana izao fisokafana izao. Ahafa­hana manamaivana ny fitohanan’ny fiara, indrindra amin’ny fotoana fidirana sy fivoahana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ».
Fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Eximbank Sina no nenti-nanana nanaovana an’ity lalana ity. Nanatanteraka ny asa fanorenana kosa ny orinasa sinoa CRBC. Nanatrika ny fotoana nanokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ihany koa ny ambasadaoro sinoa eto Ma­da­gasikara, Ji Ping, ho mariky ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta, sady taratry ny fanohanany mi­tohy ny sehatry ny fotodrafitrasa eto amintsika. Mifanojo amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto Madagasikara ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity.

Njaka A.

Partager sur: