Fotodrafitrasa maro manodidina ny fifamoivoizana no hosantarina, mifanandrify amin’izao fivoriamben’ny Sadc izao. Anisan’izany ny zotra teleferika sy ny ampahany amin’ny arabe migodana.
Mifanindry an-dalana amin’izao fandraisantsika ny Fihaonana an-tampony faha-45 ny Sadc izao, hisokatra amin’ny fomba ofisialy manomboka ny 16 aogositra ho avy izao ny zotra teleferika.
Indroa miantoana ny fisokafany, ka manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 9 ora maraina ny voalohany, ary amin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva ny faharoa.
Eo amin’ny toby fiantsonana Anosy na Ivandry La City ny fiondranana, mandalo eo amin’ireo gara Soarano Petite Vitesse, Antanimena Fraise, Ankorondrano Trano Fitaratra.
Ankoatra izany, hotanterahina eny amin’ny PK0 Ambodifasina, ny alatsinainy 18 aogositra, manomboka amin’ny 9h30 maraina, ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy, ny ampahany voalohany amin’ny arabe migodana, mampitohy an’Ambodifasina sy Ambohimanga, mirefy 8 km.
Tsiahivina fa efa nisokatra ho an’ny besinimaro, nanomboka ny 11 aogositra teo, ny lalana mirefy 4 km, eo amin’ny fihodinana (Rond point) Don Bosco Ivato, mivoaka eny amin’ny fihodinana Andranotapahina (RN4). Mampitohy mivantana eny Ambotrimanjaka ity lalana ity ary mihazo ny lalan’ny Frankofonia.
« Bazar de la Sadc »
Nitarina ho azon’ny fiarakodia efatra aleha (2 mandroso- 2 miverina) ihany koa ny lalana eo Tsarasaotra mihazo an’Ivato, mirefy 12 km. Marihina fa nohajariana ho toerana fialamboly sy fampirantiana ny eny amin’ny Enar Lac Iarivo Ivato.
Hotanterahina eny rahateo ny Bazar de la Sadc, ny 14 hatramin’ny 18 aogositra. Handray anjara eny daholo ireo firenena 16 mpikambana ao anatin’ny Sadc, hampiseho sy hampahafantatra ny taozavatra sy ny vokatra mampiavaka azy avy.
Njaka Andriantefiarinesy




