Hotanterahina mandritra ny dimy andro, ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra, ao Ambositra, ny Foara Ambalasira. «Mikendry ny hampiroborobo ny otrikarena ara-kolontsaina, ny asa tanana , ny fambolena sy fiompiana, ny jono, sns ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ny Foara Ambalasira », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Coopérative des experts associés (CEAs) », Raobelison Denis, izay mikarakara ny hetsika. Mihoatra ny 100 ireo mpampiranty avy any an-toerana, sy avy any amin’ny faritra hafa hampiseho sy hanome vokatra sy fahaiza-manao isan-karazany ho an’ny mpitsidika. Hisy ihany koa ny atrikasa sy varotra fampirantiana mandritra ireo fotoana ireo. Hanotrona ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika ny manam-pahefana avy amin’ny faritra sy ny minisitera isan-tsokajiny (MIM, MPEB, …), ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo vahiny manokana.
Ankoatra izay, «hisy ihany koa ny fampiofanana momba ny fampandrosoana ny fandraharahana, fampisehoana ny asa tanana ary hetsika ara-kolontsaina izay handravaka ireo dimy andro ho avy ireo», hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ao Amoron’i Mania, Rabenarivo Fenolaza. «Antom-pisian’ny Federasionin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) ny mifarimbona rehefa misy hetsika ataon’ny isamparitra», hoy ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny FCCI M, Ramiandrisoa Bernardin. Anisan’ny mpiahy ny Foara Ambalasira ihany koy ny jeneraly Désiré Ramakavelo, terak’Amoron’i Mania.
Henintsoa




