VAOVAO TAMBATRA

Manomboka anio 14 hatramin’ny 18 aogositra ny « Bazar de la Sadc », eny amin’ny Foibe fampirantiana iraisam-pirenena Enara, Lac Iarivo. Trano­heva maro no ho hita eny, hampisehoana ny taozavatra sy kolontsaina malagasy. Mandray anjara eny koa ny firenena mpikambana ao anatin’ny Sadc, hampahafantarany ny mampiavaka azy avy.

Natao omaly ny andrana teknika nitondra olona ny zotra teleferika (TPC). Nizotra araka ny to­kony ho izy izany, ary tsy nisy ny olana. Amin’ny sa­botsy 16 aogositra no tena hisokatra ity zotra TPC ity ao anatin’ny fotoana voafetra. Amin’ny 7ora hatramin’ ny 9 ora ny maraina, ary amin’ny 4 hatramin’ny 6 ora ny hariva. Gropy elektrozena no hampandeha azy.

Nampiofana momba ny fiompiana trondro ny faritra Atsinanana. Ny tanora no tena niompanan’izany. Ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga no nikarakara izao fiofanana izao. Tanora 61 mianadahy no nisitraka izany ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Tafidira amin’ny hetsika fankalazana ny « Andron’ny tanora 2025 » izany. Tanjona ny hanofanana ny tanora hahaleo tena amin’ny asa sahaniny mba ho anjara biriky entiny amin’ny fampandrosoana..

Partager sur: