Misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana masomboly voafantina ary zezika biolojika ny Ambioka Mada avy any amin’ny faritra Itasy. Mampiavaka azy ny tsy fampiasana akora simika, matanjaka sady mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro. Maro karazana ny vokatra, arakaraka ny toe-tany. Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny ivarotana azy ireny. Anisan’izany ireo karazam-bary izay hamidy 4 500 Ar/kg, ahitana ny vary anaty rano toy ny X 265 (vary fotsy), ny 1648 (Mandikatra), ny Fofifa (196, 160), ny vary Miary ary ny vary Mainty. Eo ihany koa ny vary an-tanety, toy ny Nerica (2,4,9), ny vary Tsipolitra, ary ny F173.
Manolotra masomboly hafa amin’ny voly isan-karazany koa ny Ambioka Mada. Amidy 5 500 Ar/kg ny ambioka soja, 8 000 Ar/kg ny Tephrosia (Mandikatra), ny katsaka IRAT 200, 4000 Ar / kg, ny café Arabica sy bourbon pointu izay 70 000 Ar, ary ny Mucuna, 5000Ar /Kg. Tsy mijanona hatreo, eo koa ny voanjo lava, tsaramaso, kabaro, brachiaria, voananana, sns.
Miatrika olana anefa ireo mpivarotra masomboly toy ny Ambioka Mada. Nambaran’ny tomponandraikitra fa misy mpivarotra masomboly hafa tsy manaraka ny fenitra fa mivarobaro-poana, ary mivarotra izany amin’ny vidiny ambany. Hany ka zary manao tsinontsinona ny asan’izy ireo. Na izany aza, miezaka hatrany ny Ambioka Mada hanome fahafaham-po ireo tantsaha, tsy ireo masomboly ilaina ihany fa eo koa ny toro-hevitra amin’ny fanatsarana ny vokatra.
Ninah(mpianatr’asa)




