Natao tany Toliara, ny 5 sy 6 aogositra teo, ny atrikasa fampahafantarana ny Politika nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrahoan-tsakafo amin’ny alalan’ny angovo madio (PNDCPM). Mifarimbona manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Pnud ary ny kabinetra Sapphyre R&D.
Efa maro ny mpisehatra amin’ny famokarana angovo madio amin’ny fandrahoan-tsakafo any Atsimo Andrefana. Maro koa ny vokarin’izy ireo. Natsangana ny vovonana « Malagasy Clean Cooking Initiative » (MCCI), ivondronan’ireo mpisehatra. Mbola vitsy anefa ny mpikambana ka nentanina ireo mpanatrika hiditra ao anatin’ny vovonana amin’ny fanamboarana angovo madio amin’ny fandrahoan-tsakafo.
Natolotra ny paikady hanatanterahana ny Politika nasionaly. Anisan’ny nampirantiana ny vokatr’ireo mpikambana, toy ny « Biocharbon », ny « pellets », ny Fatana Mitsitsy, sns.
Misy ny Vaomiera iombonana, ahitana solontena avy amin’ny minisitera, toy ny ao amin’ny angovo (MEH), ny Tontolo iainana (Medd), ny Indostria sy varotra (MICC), ny Fambolena (Minae), ny Fahasalamana (Minsan) ary ny Toekarena (MEF).
Njaka A.




