VAOVAO TAMBATRA

Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra teny amin’ny Amphi Ankatso, ny 14 aogositra teo, ny Pr Razafinjara Lala, teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Notanisainy ny ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny famokarana sy fanapariahana ny masomboly voamarina sy ny fanohanana ara-teknika ny tantsaha.

Nakana santionany karazana zana-trondro “Saro” (Sarotheron SP) ny kaominina Manandrano, distrika Taolagnaro, ny 11 aogositra teo. Antony, hanohizan’ny teknisianin’ny Fampiroboroboana ny fiompiana trondro (CDA) ny fikarohana mahakasika ity trondro ity amin’ny fomba hiompiana azy, ao anatin’ny tetikasa PPSAPS.

Miisa 517 ny tebok’afo teto Madagasikara, ny 13 aogositra teo. Faritra tena be afo ny tapany andrefan’ny Nosy. Na izany aza, nahitana izany daholo ny faritra hafa. Anisan’ny tratry ny doro ala na tanety koa ny any amin’ny faritra Arovana, toy ny any Kirindy Mitea, Antimena Menabe.

Partager sur: