Niditra ho mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenea Antananarivo sy Nosy Be. Nanatanterahina izany ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny fomba fiasa na deontolojia sy ny nahazoany ny mari-pamantarana, label «Malagasy ny Antsika». Midika ireo fa tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-toekarena eto amintsika ity orinasa ity sady mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana ny vokatra sy ny fahaiza-manao malagasy eny amin’ny seranam-piaramanidina tantaniny.
Orinasa voalohany nahazo ny label «Malagasy ny Antsika», omen’ny Sim, ny Ravinala Airports, amin’ny fanomezana tolotra ny mpandeha eny Ivato Antananarivo sy Nosy Be. Ao anatin’izany ny fanarahana ny fenitra sy ny lalàna, ny laharam-pahamehana omena ny mpamatsy ny orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Ny fanomezan-danja sy ny fampirantiana ny taozavatra malagasy eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny fanomezana asa ny olona eto an-toerana ihany koa. Miampy ny serasera mangarahara, ny andraikitra ho an’ny tontolo iainana sy ny sosialy, sns.
Nambaran’ny tale jeneraly, i Daniel Lafabvre, fa «fanehoana ny fahavononanay hampiroborobo ny indostria sy ny toekarena eto an-toerana izao fidirana anatin’ny Sim izao. Tsapanay fa vovonana manan-danja ho an’ny indostria ny seranam-piaramanidina».
Njaka A.




