Hotanterahina anio, eny amin’ny PK0 Ambodifasina, ny lanonam-panokafana ny ampahany voalohany (Ambodifasina-Ambohimanga) amin’ny arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Hitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, hotronin’
ireo mpitondra fanjakana mpikambana ao anatin’ny vondrona Sadc.
Mitentina 97 tapitrisa dolara ny renivolan’ny Tahirimbola Decim, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tetikasa entina hanafainganana ny fisitrahana herinaratra ho an’ny toerana tsy ao anatin’ny tambajotran’ny Jirama, sady hamatsiana fitaovana fifandraisan-davitra niomerika eto Madagasikara izany.
Napetraka ny fakan-kevitra eny amin’ny Ladoany malagasy. Miendrika fanadihadiana ity fakan-kevitra ity, mahakasika ny fahafaham-pon’ireo manan-draharaha eny amin’ny sampandraharahan’ny Fadintseranana malagasy. Tanjona ny hanakaikezana bebe kokoa ny mpanjifa, sady hakana ihany koa ny soson-kevitra avy amin’izy ireo.




