Angovo azo havaozina: Orinasa voalohany hampiasa ny angovo azo avy amin’ny rivotra ny QMM

Miditra tsikelikely any amin’ny fampiasana an­govo madio ny orinasa QMM any Tao­lagnaro. Ampia­saina ny angovo avy amin’ny herin’ny ma­soandro sy ny avy amin’ny rivotra (éo­lienne).

Nampiasa angovo ambanin’ny tany, toy ny solika, hatramin’izay ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ampiasaina hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra izany, mahatratra 24 MW. Tsy laniny anefa io, fa ampiasain’ny orinasa ny 20 MW ary ho an’ny Jirama ny 4 MW ambiny, hamatsiana ny tanànan’i Taolagnaro. Novai­na ny fomba fiasa, ka noraisina ny fanapahan-kevitra fa hitodika amin’ny fampiasana angovo madio, manomboka izao.
Napetraka ny fotodrafitrasa ho an’ny famokarana azo avy amin’ny herin’ny masoandro, izay efa tafapetraka ireo takelaka sy ny kojakoja samihafa miaraka aminy. Niasa nanomboka ny janoary 2025 teo ity fotodrafitrasa ity, namokatra 8 MW, izay notokanana tamin’ny avrily 2024 ary nitarina hamokatra 6 MW fanampiny, ka mitotaly 14 MW ny fitambarany.

Hamokatra 16 MW kosa ny angovo avy amin’ny herin’ny rivotra na « éolienne ». Za­va-baovao, voalohany eto Madagasikara ity famokarana angovo madio hafa hataon’ny orinasa QMM ity. Miisa 19 ny andriamby hapetraka, mampihodina ny « hélices », mamokatra herinaratra 16 MW. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faran’ity taona 2025 ity ny fotodrafitrasa rehetra ilaina.

Efa nisy ny fanandramana natao, tsy nampiasana ny foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny solika, nandritra ny iray andro, fa nasolo ny angovo avy amin’ny masoandro sy izay « éolienne » efa nihodina, ary nety tsara.

Tsy nisy delestazy nanomboka ny taona 2011

Mialoha izany, mbola ham­pifandimbiasana na ampiarahana (hybride) ny fampiasana ireo karazana herinaratra ireo mandra-pihodin’ny angovo avy amin’ny masoandro sy rivotra mitambatra.
Misy ny fiaraha-miasan’ny QMM sy ny Jirama amin’ny lafiny famatsiana herinaratra. Araka izany, tsy nisy ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro, nanomboka ny taona 2011. Satria, tsy lany amin’ny filan’ny mpanjifa miisa 80 000 ny 4 MW avy amin’ny QMM. Misy ihany ny fahatapahan-jiro, fa mety avy amin’ny toetr’andro ratsy, na ny fahasimban’ny fitaovana, na koa noho ny fotoana fikojakojana tsy maintsy ilaina amin’ny milina.
Vinan’ny QMM sy ny orinasa reniny, Rio Tinto, amin’ny fampiasana angovo madio azo havaozina, ny hametrahana ny antsoina hoe fitrandrahana harena ambanin’ny tany madio sady maharitra na « mine durable ». Tanjona amin’ity tetikasa ity koa ny fiarovana ny tontolo iainana, ka hampihenana ny famoahana entona karbôna mangeja hafanana (GES), hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Tanàna sy orinasa fitaratra

Koa, tombanana hampiasa angovo madio sady azo havaozina tanteraka ny orinasa amin’ny taona 2026. Ireo no hamatsy herinaratra ny ozinina, ny seranan-tsambo, ny trano fonenan’ny mpiasa ary ny tanànan’i Taolagnaro. Tsia­hivina fa miisa 500 ny mpiasa mivantana ao amin’ity orinasa ity, miampy asa tsy mivantana manodidina ny 1 500.
Raha aravona, ny tampon-tanànan’i Taolagnaro no renivohitry ny faritra, distrika, kaominina fitaratra, hampiasa ny angovo madio tanteraka eto Madagasikara. Ny orinasa QMM ihany koa no orinasa hampihodina ny fihariany tsy mampiasa herinaratra avy amin’ny solika.
Mifanandrify amin’ny vinan’ny fanjakana amin’ny fiovana mankany amin’nyfampiasana angovo azo havaozina ireo. Mitondra fampandrosoana, mifanaraka amin’ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro sady mitandro ny tontolo iainana.

Nanatontosa :
Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: