Vita sonia ny 4 aogositra teo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Africa sy ny Xtelify, izay sampana orinasa misahana ny niomerika ao amin’ny Airtel India. Hanamafy ny fampiasana ny niomerika matanjaka sy avo lenta ity fiaraha-miasa ity. Tafapetraka ny vovonana « logiciel » ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpanjifa sady hampitomboana ny fidiram-bola. Hampiasain’ny Xtelify ny Data Engine, ny Work ary ny IO. Mahatratra 150 000 isa ny mpiasan’ny Airtel Africa hampiasa azy any amin’ireo firenena 14. Anisan’ny laharam-pahamehana ny ady amin’ny hosoka sy ny « spams », hiarovana ny mpanjifa. Mampifandray ny mponina ny vovonana Xtelify IQ, ao anatin’ny ara-potoana sy voaaro, hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra.
Nilaza ny talen’ny Rafitry ny fampahalalam-baovao ny Airtel Africa, Jacques Barkhuizen, fa dingana lehibe ity fiaraha-miasa ity hananganana ny hoavin’ny niomerika aty Afrika. Efa hita ny fahombiazan’ny IA tany India, ka ezahina ny hanamorana azy ho an’ny mpanjifan’ny Airtel Africa. Nanamafy i Binod Srivastava, talen’ny Varotra ao amin’ny Global Business, Bharti Airtel any India, fa hanosika ny fanovana ny niomerika ity fiaraha-miasa ity, iantohana ny fiarovana ny mpanjifa.
Efa ampiasain’ny Xtelify ihany koa ny vovonana « Cloud », ampiasain’ny Airtel Cloud. Ahafahana manao fifanakalozam-bola mahatratra 14 miliara isaky ny minitra ho an’ny Airtel India. Miisa 300 ny teknisiana Cloud, manana mari-pahalalana.
Njaka A.




