Mitarika ny Vondrona Sadc ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny nomarihiny tamin’ny 18 aogositra teo, fa tombontsoa lehibe ny fitarihany an’ity Vondrom-paritra ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nambaran’ny filohan’ny Sadc, fa fomba ahafahana mifampidinika ny Sadc, ary anisan’izany ny fifanarahana amin’i Etazonia, mahakasika ny tsena Agoa. Satria, ho tapitra amin’ny volana septambra 2025 ho avy izao ny fe-potoana, izay tsy hitataovana haba ny entana aondrana any Etazonia, ao anatin’ny tsena Agoa. « Koa, amin’ny alalan’ny Sadc, no hifampiraharahan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny filoha amerikanina Donald Trump », hoy izy.
Marihina fa efa nahena ho 15% ny haban-tseranana aloan’i Madagasikara amin’ny entana aondrana any Etazonia, raha tokony ho 47% ny fanapahan-kevitry ny filoha Donald Trump tamin’ny volana avrily teo. Anisan’ny vokatra voakasik’izany ny lavanila. Tsy tataovana haba kosa ny harena an-kibon’ny tany, ny fanafody, sy ny entana mahakasika ny lafiny sosialy.
Njaka A.




