VAOVAO TAMBATRA

Sarotra ny mahita fiara fitaterana eny amin’ny toby Makis Andohatapenaka, amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Nambaran’ireo mpitantana ny tranohevan’ny kaoperativa, fa efa voafandrika daholo ny toerana hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Tena voakasik’izany ny mandeha amin’ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN7, sns.

Tsy mihetsika firy ny fiovaovan’ny sandambola Ariary, miohatra amin’ireo vola vahiny. Omaly, 18 aogositra, araka ny vaovao navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nisanda 5 137 Ar ny 1 euro raha 5 135 Ar ny 14 aogositra teo. Nisanda 4 435 kosa ny 1 dolara ny 18 aogositra raha 4 433 Ar ny 14 aogositra.

Manan-jo hitondra voandalana kely ny mpandeha avy any ivelany mody aty Madagasikara. San­tionany amin’izany ny mitondra sigara sy ny mitovy karazana aminy, azon’ny olona mihoatra ny 18 taona entina. Sigara : singany 200 ; cigarillos : singany 100 ; cigares : singany 50 ; « tabacs à fumer » : 250 g. Han­doavana haba ny mihoatra an’ireo.

Partager sur: