TARATRY ny KANTO

Niova ny feo! Tsy ny feo no niova fa ilay fahaizana sy fanajana ny teny malagasy mihitsy no tsy ao anatin’ny tanora sasany intsony. Mitranga sy miharihary any amin’ny hira ankehitriny ihany koa izy io. Sady efa tsy feo malagasy intsony no mbola tsy mahay manonona ny ny teny malagasy fa nanjary mikasaosaoka hafahafa. Ny «rahatrizay» nanjary «rahatrsssuzay»… Fantatra fa ity tranga ataona mpihira sasany ity no iray amin’ireo hanimba ny teny malagasy tsy ho ela. Manomboka maro ankehitriny ireo tanora mirehareha amin’ny fampiasana io fomba fiteny ao anatina hira mampiasa ny feo an’orona sy an-danilany io.
Mitombo isa ny zavamaneno vita sy amboarina (raha sanatria ka simba) eto an-toerana. Endrika fivelarana? Raha ny fitomboan’isa, fivelarana tokoa. Mivelatra, ohatra, ny talentan’ny mpandrafitra. Raha jerena akaiky kosa, maro amin’ireny no vonjy tavanandro ihany. Tsy manaraka ny fenitra takin’ny mozika. Tsy mateza fa zara raha maharitra amam-bolana vitsy dia simba sy tsy azo ampiasaina intsony. Ny fampiofanana momba ny fanamboarana zavamaneno no tokony hifanindran-dalana amin’ny firoboroboan’ny isan’ny mpanamboatra.
Mila haverina sy hamafisina ary omena lanja ao amin’ny taranja malagasy ny « vakiteny ». Tena tsy mahay mamaky teny malagasy intsony ny zaza sy ny tanora malagasy. Mitarika any amin’ny tsy fahaiza-miteny sy mandaha-teny ary maneho hevitra izy io. Hany ka maro amin’ny taranaka ankehitriny no tsy mahay mifanakalo hevitra, mifampizara fahalalana… Tsy vitsy aza moa ireo tsy mahafantatra akory ny vontoatin’ny soratra vakiany. Fa, mankaiza ny mpampianatra? Tsy manitsy ve ny ray aman-dreny? Mitazam-potsiny ny mpiara-monina?

Partager sur: