« Yas et moi » : Tolotra amin’ny alalan’ny teny

Voalohany eto Mada­gasikara sy Afrika! Zava-baovao tanteraka ny tolotra vaovao amin’ny sehatry ny fividianan-javatra amin’ny alalan’ny finday vokarin’ny orinasa Yas. Nivoaka ny « Yas et moi », ampiasaina amin’ny fividianan-javatra na koa karazana tolotra ao anaty finday na filana samihafa, toy ny fihainoana hira, fividianana finday, fanjifana ireo tolotry ny Yas, sns.
Nohazavain-dRakoton­dra­be Rolland, tomponandraikitry ny lafiny niomerika (digital) ao amin’ny Yas, fa voalohany eto Madagasikara manana sy mampiasa azy io ny orinasa Yas. Mampiavaka azy, tsy mila manindry bokotra (bouton) ny mpampiasa, fa amin’ny alalan’ny teny, ka mazava ho azy natao amin’ny teny malagasy na fitenim-paritra, mba ho azon’ny besinimaro eto amintsika izany. Tsotra ny fomba fampiasana azy: ampidirina ao anaty finday ny « application Yas et moi ». Ao anatiny ao ny tolotra rehetra izay ilaina. Raisina ohatra, ny « e-sakafo », raha hividy sakafo. Tenenina ny sakafo isafidianana, tenenina ny toerana hanaterana azy, satria aterina any amin’ilay mpanjifa. Marihina fa misy ny fihenam-bidy amin’ny zavatra, mihoatra amin’ny eny amin’ny magazay. Tsy mandany mega ity tolotra « Yas et moi » ity. Fanombohana izao eto Madagasikara izao, fa hitarina any Afrika avy eo.

Njaka A.

Partager sur: