Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF Rajaonarivelo Philippe tamin’io fotoana nanoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tompon’andraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF.
Mitohy ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro. Atao isaky ny alakamisy izany ho an’ny faritra Analamanga, eny amin’ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby. Hiompanan’ny fotoana ny torolalana amin’ny fanorenana toeram-piompiana trondro sy ny momba ny fiompiana trondro an-tanimbary. Tsy misy sarany.
Nitsidika ny Bazar de la Sadc ao amin’ny Enara Gallérie Ivato, ny praiminisitry Lesotho, Ntsokoanoe Samuel Matekane, ny alatsinainy teo. Nidera ny fahaiza-manaon’ny Malagasy izy, ary nambarany fa tsy maintsy mbola hiverina aty Madagasikara. Nitarika azy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane.




