Esorina ny fotaka eny amin’ny lakandrano eto Antananarivo. Tsy maintsy misy ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny singa ao aminy, mialoha ny hanatobiana azy eny Iarinarivo Ambohidratrimo.
Nampahafantarina, omaly, ny valin’ny fanadihadiana mahakasika ny fizotry ny asa fanalana ny fotaka amin’ireo lakandrano eto Antananarivo, ataon’ny tetikasa Produir. Nampitahaina ny karazam-potaka eny amin’ny lakandrano C3 miohatra amin’ny foibe eny Namontana. Araka ny fanadihadiana ara-fizika sy ara-tsimika, mizotra araka ny tokony ho izy, ny dingan’ny asa atao amin’ny fitantavanana ny fotaka sady mitombina tsara. Rehefa nohadihadiana ny fotaka eny amin’ny C3, hita fa loto sy mikraoba avy amin’ny zavamaniry, ka izay no anisan’ny tena ilana ny fanesorana azy sy hitahirizana azy any amin’ny toerana manokana any Iarinarivo, ataon’ny tetikasa Produir.
Natao fanadihadiana siantifika koa ny kalitaon’ny rano eny amin’ny dobo fitahirizan-drano eny Anosibe. Nojerena ny karazana singa organika, toy ny zavamaniry, ny rano, ny fotaka, ny tahan’ny oksizena, ny ammôniôma, izay tena manimba ny fitaovam-pisefoana, ny maso, ny hoditra. Nohadihadiana koa ny akora hafa toy ny vy izay mandoto ny rano, miantraika amin’ny fihariana ataon’ny olombelona. Marihina fa nataon’ny olona fanariam-pako sy maloto ny lakandrano C3, efa am-polo taona maro. Hita ao daholo ny karazan-javatra sy fako rehetra.
Tsara ny kalitaon’ny rano fisotro eny Iarinarivo
Anisan’ny nohadihadiana koa ny kalitaon’ny rano amin’ny lavadrano, manodidina ny toby fanariana ny fotaka eny Iarinarivo Ambohidratrimo. Tsara ny kalitaon’ny rano, azo sotroina, manaraka ny fenitra ilaina, araka ny ISO 5667-11. Tsy misy fiantraikany ny fisian’ny toby.
Marihina fa misy ny fikarakarana manokana ny fotaka mialoha ny hanatobiana azy eny an-toerana.
Njaka Andriantefiarinesy
Mamatsy vola ny Tetikasa ho fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny loza voajanahary (Produir) ny Banky iraisam-pirenena. Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro.




