Laharam-pahamehana tokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny arabe migodana vaovao sy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN5.
Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 19 aogositra teo, ny delegasionina avy amin’ny Tahirimbola Abou Dhabi ho an’ny fampandrosoana (ADFD). Noresahina ny tohiny sy ny hanafainganana ny tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa vatsian’ity tahirim-bola ity ara-bola. Araka ny efa natsidiky ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana sady fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ampahan-dalana amin’ny arabe migodana miainga eo Ambodifasina PK0 hatreny Ambohimanga Rova, hamatsy vola 60 tapitrisa dolara ny ADFD. Nodinihina, noho izany, ny fomba hanafainganana ny hamoahana an’io vola io, entina hanohizana ny asa fanorenana ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mirefy 260 km. Satria, maika ny fahavitan’ny asa, entina hampandrosoana ny firenena. Tsiahivina fa hamatsy vola 80 tapitrisa dolara ihany koa ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Badea).
Lalam-pirenena faha-5
Ankoatra izany, nifantoka tamin’ny fanohizana ny tetikasa fanarenana ny RN5 ihany koa ny diniky ny roa tonta. Voakasik’izany ny ampahan-dalana mirefy 40 km, mampifandray an’i Vahibe hatrany Mananara. Ilaina tokoa ny fanarenana an’ity lalana ity, mba tsy hampitoka-monina an’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny, izay tena mampijaly ny mpampiasa lalana sy ny mponina tokoa, ankehitriny.
Manampy ireo, nifampidinika tamin’ny delegasionina avy amin’ny Tahirimbolan’ny Vondrona mpamokatra solika (Opep) ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena na Ofid ihany koa ny minisitra Rafidison Richard Théodore. Nojerena ny paikady entina mandrindra sy ny fomba hamoahana ny famatsiam-bola ilaina, entina hanatanterahana avy hatrany ny asa, satria tena laharam-pahamehana tokoa ity tetikasa fanamboaran-dalana ity.
Njaka Andriantefiarinesy




