Nandray fitenenana ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ ny fivoriana mahakasika ny toekarena Ticad andiany faha-9, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Navoitrany fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny sehatra marolafy eo amin’i Madagasikara sy i Japana. Anisan’izany, ny fampivoarana ny indostria, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany sy ny vokatra ara-pambolena, ny fampiasam-bola amin’ny angovo azo havaozina. Eo koa, ny fanamafisana ny fotodrafitrasa ara-pitaterana sy ny seranan-tsambo ary ny fizarana ny fahaiza-manao mahakasika ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA).
Nampahatsiahivin’ny Praiminisitra, fa tanjona goavana ny fampiofanana sy ny fampanan’asa. Fanamby goavana ny fametrahana fiaraha-miasa maharitra miorina amin’ny fifampitokisana sy ny tombontsoa iombonana, ahafahana manome modely tsara ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’Afrika sy Japana.
Marihina, fa anisan’ny ao anatin’ireo tohana omen’i Japana ireo ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanamboaran-dalana sy tetezana, ny fambolem-bary, sns.
Njaka A.




