Nilaza ny mpivarotra iray eny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola misy ny fiakaran’ny vidim-bary hatreto. Mijanona ho 1000 Ar ny kapoaka, 3 500 Ar ny kilao, ho an’ny vary makalioka sy
ny dista ary ny vary mena raha toa ka 175000 Ar ny iray gony. 900 Ar kosa ny kapoaka (3 150 Ar/kg) ho an’ny riz de luxe sy ny tsipala ary 150000 Ar ny gony iray. Manaraka izany, ny vary stock izay amidy ho 800 Ar ny amin’ny kapoaka (2 800 Ar/kg) raha toa ka 140000 Ar ny iray gony. Marihina fa anisan’ireo tsena madinika mpanafatra fotsim-bary eny an’Anosibe izy ary misedra ny fiakarana sy ny fidinan’ ny vidim-bary toy ny tsena rehetra. Araka ny fanadihadina natao taminy dia ny volana septambra eo no fiakaran’ny vidim-bary ary ny volana marsa kosa no fidinany.
Tsy mivarotra tahiry
Ny fiandohan’ny fambolena ny vary ny volana septambra ka hatao mandritra izany ny famafazana ny masomboly sy ny famindran-toerana ny tahom-bary. Tsy mivarotra ny tahiriny intsony ireo tantsaha manomboka eo raha tsy amin’ny fijinjana manaraka indray. Misedra ny fahalanian’ny tahirim-bary tokoa ireo tsena madinika mandritra izany ka mahatonga azy ireo hampiakatra ny vidim-bary. Miverina midina kosa anefa izany manomboka ny volana marsa noho izy ivon’ny fiakaran’ny voka-bary sy fiandohan’ny taom-piotazana ho an’ireo tantsaha. Miakatra ny tahan’ny mpamatsy vary amin’ io fotoana io ka mahatonga azy ireo hampidina ny vidim-bary amin’ny ankapobeny.
Ninah (mpianatr’asa)




