Katsaka : Niakatra ho 2 000 Ar ny iray kilao

Niakatra ho 2 000 Ar ny kilao amin’ny katsaka noho ny fiovaovan’ny vidin-tsolika sy ny haratsian’ny lalana. Mahatratra 100 000 Ar kosa ny iray gony, raha 50 000 Ar izany teo aloha.

Nampakatra ny vidin’ ny katsaka amin’ny kilao ho 2 000 Ar ireo tsenakely ao Ambatolampy Tsima­hafotsy, tamin’ity volana aogositra ity. 100 000 Ar kosa ny iray gony 50 kg, raha toa ka 50 000 Ar izany teo aloha ary 1 000ar ny kilao. Vokatra tena ilaina tokoa ny katsaka kanefa tsy mitsaha-miakatra ny vidiny. «1 700 Ar teo aloha ny ka­tsaka tsotra ho an’ny akoho gasy, ary efa nisy fotoana tafakatra 2 200 Ar, ary 3 500 ar ny katsaka provandy. Lafo ho anay tokoa izany satria tsy mitsaha-miakatra ny vidiny kanefa dia tena ilainay amin’ny fiompiana ataonay. Mam­panatody haingana sy mampangeza ny akoho gasy ompinay izy io. Maha be lanja kokoa ireo akoho fakana nofo izy ary mampihena ny tavy ao aminy », hoy ny fanamarinan-dRasolohanitriniaina Arline, mpiompy akoho.

Antony mampiaka-bidy ny katsaka
Miantraika any amin’ny saran’ny fitaterana ny katsaka ny fiakaran’ny vidin-tsolika. 800 ar ny fangalana azy any am-potony ary miakatra arakaraka ny fampitana sy fitanterana azy isan-tsokajiny izany. Eo ihany koa ny hamaroan’ny mpanangom-bokatra eny ifotony ka zary lasa vitsy ny vokatra tonga eny an-tsena.

Fiantraikan’ny fisondrotam-bidy
Voatery mampakatra ny vidin’ny vokatra (hena, atody, sns) ireo mpiompy, na mampihena ny vokatra sy ny isan’ny biby mba hitazomana ny tombombarotra. Miteraka fahaverezan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano sy izay miankina amin’ny katsaka izany. Voatery izy ireo mihinana sakafokely kokoa na mitodika any amin’ny vokatra mora sy ambany kalitao. Mitarika azy ireo ho any amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maro hafa anefa izany.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: