Sehatry ny jono: 2,225 tapitrisa dolara ny tohan’ny FAO

Manohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny fihariana anaty rano ny Fikambanana maneran-tany momba ny sakafo (FAO). Miisa fito ny tetikasa tohanany, izay mahatratra 2,225 tapitrisa dolara, nanomboka ny taona 2021, mifantoka amin’ny jono sy ny fihariana anaty rano.
Anisan’ny nitsidika ny toeram-pamokarana trondro, Royal Tilapia, eny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny Dr. Qu Dongyu, Tale jeneraly (DG) ny (FAO), ny volana jolay teo. Miompy trondro sady mamokatra sakafon-trondro ity toerana ity. Nanotrona azy ihany koa ny minisitry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Paubert, sy ny teknisianin’ny FAO ary ny minisitera.
Nifampizarana ny traikefa amin’ny sehatry ny fiompiana trondro io fotoana io. Nanome toromarika ihany koa ny DG an’ny FAO, hahafahana mamokatra bebe kokoa sy mampiakatra ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro, noho izy ity sakafo ara-pahasalamana, sady manampy amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Njaka A.

Partager sur: