Madagascar Airlines : Manohy ny asany ny tale jeneraly, i Thierry de Bailleul

Araka ny vaovao hita omaly, avy eo anivon’ny orinasa Madagascar Airlines, nohavaozina ny fe-potoana hiasan’ny tale jeneraln’ity orinasa ity.

Mitohy ny sidina! Tohi­zana ny asa! Nana­mafy i Madagascar Air­lines, omaly, tao anaty taratasy ofisialy, fa mbola manohy ny asa maha tale jeneraly azy eo anivon’ity orinasa misehatra amin’ny zotram-piaramanidina malagasy ity, i Thierry de Bailleul. Taorian’ny tsaho sy tatitra diso niely tamin’ny volana jolay lasa teo, izay milaza ny fialany, efa nandray andraikitra ny eo anivon’ny Filan­kevitry ny fitantanana anivon’ny Madagascar Airlines.
Mazava ankehitriny fa no­ha­lavaina ny fe-potoam-piasan’ i Thierry de Bailleul. Nila­za ny tenany fa tsy resaka toerana na fifanarahana akory no anton’ny hanohizany miasa fa ny filana hanamafisana sy hanohizana ny efa natomboka, eo ambany fiahian’ny fanjakana sy ny filankevitry ny fitantanan’ny orinasa.
Araka izany, mikendry ny fanohizana ny paikady anatin’ny Phenix 2030 ity fanapahan-kevitra ity. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny taona 2022 no nitantana ity kaompanian-pitaterana ana habakabaka malagasy ity ny tenany. Araka ny fikarohana natao, nifarana ny 31 jolay teo ny fifanarahana nisy teo aminy sy ny Madagascar Airlines, ka izao nohavaozina izao indray.

Hanohana ny Banky iraisam-pirenena…
Sambany hanohana ny fandaharanasan’ity kaompania ity ny Banky iraisam-pirenena. Manaporofo izany ny famatsiam-bola mitentina 65 tapitrisa dolara. Na izany aza, mbola miankina amin’ny fankatoavana roa lehibe ny famatsiam-bola: ny fanekena ny tolotra fanarenana ny fananan’ny Air Madagascar sy Tsaradia ary ny fanalana haba sy hetra amin’ny fanafarana fiaramanidina sy kojakoja. Efa nodinihin’ny manam-pahefana ireo antontan-taratasy ireo, ary andrasana ny fampiharana azy mba tsy hisy ny fahatarana.
Ny fiaraha-mientan’ny go­ver­nemanta sy ny Banky iraisam-pirenena ary ny kaompania no antoka hanamafisana ny toerana misy ny Ma­dagascar Airlines, ho anisan’ny fototra iankinan’ny fitomboan’ny toekarena sy ny fizahantany eto an-tanindrazana.

Fitia Randria

Partager sur: