Hatao eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, Ankatso, ny 1 hatramin’ny 5 septambra ho avy izao, ny “Salon de l’Agronomie 2025”. Mandray an-tanana ny hetsika ny École supérieure des sciences agronomiques (ESSA), izay mikendry ny hampiroboroboana ny fambolena maharitra sy ny fananganana rafitra ara-tsakafo mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro, ara-toekarena ary ara-tsosialy.
« Fambolena maharitra sy rafitra ara-tsakafo: eo anivon’ny fanamby ankehitriny sy ny hoavy» ny lohahevitra amin’izany. Mampirisika ny fampiasana ny maodely vaovao hoenti-miantoka ny fiarovana ny sakafo, sady manolotra lalana vaovao amin’ny famokarana ara-pambolena mahazaka ny fanamby goavana efa nisy hatramin’izay no tanjona.
Natao hampiroboroboana ny fampiharana ara-pambolena manaja ny tontolo iainana, mampitombo ny vokatra sady miaro ny harena voajanahary ity “Salon de l’Agronomie 2025” ity. Hampivondrona mpikaroka, mpisehatra, andrimpanjakana ary mpiara-miombon’antoka eto an-toerana ny hetsika. Hanamafisana ny fiovana sy ny fandrosoan’ny sehatry ny fambolena sy ny faharetan’ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara.
Ankoatra ireo atrikasa sy famelabelarana iarahana amin’ny manampahaizana, hisy ihany koa ny fampirantiana vokatra sy tetikasa vaovao. Eo ihany koa ny hetsika ifanakalozan-kevitra sy sehatra hanolorana vahaolana ara-teknika sy zava-baovao eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana.
Fitia Randria




