Nanatanteraka atrikasa ho fampiharana ny tarigetra faha-15 ao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny fahasamihafan’ny biolojia Kunming, Montreal, ny minisiteran’ny Tontolo iainanana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, (Medd), omaly. Fantatra tamin’izany fa maherin’ny 90% ny zavamananaina tsy fahita raha tsy eto Madagasikara.
Hotanterahina ny 29 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Tsenabean’ny Fokontany Betsizaraina, na ny foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hampivoarana ny toekarena eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fizakan-tenan’ny tsirairay. Hisy ny fampirantiana maro sy fiofanana hatao eny an-toerana, amin’io fotoana io.
Nanatanteraka fitsidihana ny orinasa Tozzigreen tany amin’ny faritra Anosy ny solombavambahoaka voafidy tao Betroka sy ny Sekretera jeneralin’ny Faritra, omaly. Taorian’izany, fantatra fa azo ambolena tsara ao Satrokala, distrikan’i Betroka. Anisan’izany, ny lavanila sy ny “poivre sauvage”, izay antenaina fa hitondra fampandrosoana ny toekarena any an-toerana.




