Omaly ihany dia efa feno ny toerana ho an’ireo olona handeha hanohana ny ekipam-pirenentsika, Barean’i Madagasikara, any Kenya. Manginy fotsiny ireo mbola misisika ny handeha. Tsy mampaninona azy ireny ny handoa volabe efa mihoatra ny 2 tapitrisa Ariary. Entanim-pitiavana tokoa. Ankoatra ny mpanefoefo, betsaka ny entanim-pitiavana ka mamorona ny tsy misy. Tsy hilaozan’izay midi-trosa mihitsy aza ny sasany.
Inona tokoa ny raha tsy hita amin’ity fitiavam-baolina ity? Misy aza ny mivaro-pananana. Tsy asian-teny ny manao antoka ahafahana miloka vola. Maro isan-karazany ny fomba hanehoan’ny mpankafy ny firaiketam-pony amin’ilay taranja. Ny baolina kitra rahateo dia loha laharana hatrany ao am-pon’ny vahoaka malagasy. Mainka moa, misy ity fanamby goavam-be, handrombahana amboara kaontinantaly ity! Misy indray ny hahavita “majia-majia” any an-tokantranony any.
Eo indrindra no ilana ny fitandreman’ny olon-drehetra, tsy hanaotao fahatany. Hiakatra ny hafanam-po, hihazakazaka ny mpampidi-kizo amin’ny fomba hanariam-bola. Tsy ferana ny mpisoloky an-kitsirano, hitady hirika, hanambakana ny hafa. Tsy tokony hisy ny ho jamban’ny fitiavam-baolina fahatany ka ho tafiditra amin’ny vela-pandriky ny mpampiloka sy ny hevi-petsiny.
Maro ny fomba ahafahana maneho fitiavana ny Barean’i Madagasikara. Tsy ilaina ny endrikendrika ivelany. Ampy ny mitia sy manohana amin’ny fo. Tsy ilaina ny fandaniana mihoapampana. Fo miara-mirona, mizara onja miabo ho an’ireo mpilalao sy ny ekipa teknika no andrasan’izy ireo satria ny fitiavana no lehibe indrindra.
r.r




