“Fanairana!” Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any amin’ny faritra Vohilava, distrikan’i Mananjary. Simba ny renirano Intsaka sy Mananjary ary ny Canal des Pangalanes, izay tena ilaina amin’ny fiainan’ny mponina eo amin’ny resaka fambolena sy ny fitaterana ary ny fiarovana ny tafiotra.
Ho an’ny sokatra radiata indray, mbola lasibatry ny resaka fanondranana antsokosoko ny ao Atsimo Andrefana. Mbola misedra olana lehibe io karazan-tsokatra io. Na dia efa voaaro aza, mbola betsaka ny mihaza sy mivarotra azy antsokosoko. Tarehimarika mampivarahontsana: 30 875 isa ny sokatra efa niharan’izany teo anelanelan’ny 2000 sy 2021. Tsy sokatra fotsiny anefa izy ireo fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanarenana ny ala maina, amin’ny famafazany voa sy fitandroana ny fifandanjan’ny tontolo iainana.
Mahakasika ny ao Sakatia (Nosy-Be), efa taona maro no niainan’ny mponina ny ady amin’ny fandraisan-tany ataon’ ny orinasa vahiny iray. Hatramin’ny taona 2016, niezaka nanilika mponina ny orinasa, ka mikasa hanangana hotely, na dia efa nofoanan’ny fitsarana aza ny fifanarahana. Mitaky mangarahara sy fitantanana manaja ny zon’ny tompon-tany ny fokonolona any an-toerana. “Tsy azo atao sorona amin’ny tombontsoan’ny vahiny ny tany lovain-jafy”, hoy izy ireo.
Fitia Randria




