Ratsy dia ratsy! Izay no azo ilazana ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soanierana Ivongo. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpamily any an-toerana, ny sabotsy lasa teo, mitaraina izy ireo amin’io lalana io, mandany adiny folo be izao ny zotra iray.
“Tsy vitan’ny hoe efa olana ilay lalana fa miteraka fatiantoka ho anay mpampiasa fiara ihany koa. Lany ny fotoana, zara raha mahavita zotra indroa ao anatin’ny andro iray, ary matetika simba ny fiara”, hoy ny mpamily iray nanontaniana. Tsy izany ihany fa misy amin’ireo olon-tsotra ihany koa mahatsiaro ho sahirana rehefa handeha ho any an-toerana, mila mitandrina tsara amin’ny hafainganam-pandeha.
“Misy ny ampahan-dalana tokony ho vita ao anatin’ny 15 minitra, mirefy 200 m, saingy noho ny faharatsian’ny lalana, voatery 25 min na 30 min eo izany vao vita”, hoy ny olon-tsotra iray handeha hanao fialantsasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie.
Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra, araka izany, ireo mpampiasa ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soanierana Ivongo, anatin’ny faritra Atsinanana ity, mba hijery akaiky ny zava-misy. Notsiahivin’izy ireo fa efa natao ihany ny fangatahana, saingy tsy mbola nisy vokatra hita maso hatramin’izao.
Fitia Randria




