Seranan’Ivato: Vita ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana

Afaka miasa ankehitriny ny toerana fiantsonan’ny fiaramanidina, Tarmac 1. Nandaniana 32,5 miliara Ar ny asa, ho fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena.

Dingana vaovao indray no vitan’ny orinasa Ra­vi­nala Airports amin’ ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Raha ny antontanisa, nandritra ny fo­to­am-piasana 2025, manodidina ny 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina teo amin’ny Tarmac 1. Mitsinjara zotra 32 ka ato anatiny ny 19, zotram-paritra ny 11, ary iraisam-pirenena ny roa. Miisa 28 ny zotra tsy miankina ka ato anatiny ny 27 ary zotra am-paritra ny iray. Nanomboka ny janoary 2025, niisa 13 720 ny fivezivezen’ny fiaramanidina, ka 13 720 ny zotra nandalo teo amin’ny Tar­mac 1, manome 36% amin’ny fivezivezena manontolo.

Fiaramanidina vaventy

Ahafahana mandray fiaramanidina vaventy ny fisian’ity fotodrafitrasa lehibe Tarmac 1 ity. Nandray zotra lehibe roa fa­nampiny izany nandritra ny fivoriamben’ny Sadc farany teo. Azo antoka fa mbola hitohy izany amin’ny fahatongavan’ny vanim-potoan’ny fialan­tsasatry ny ririnina amin’ny fa­ran’ny taona 2025 ho avy izao, hanomboka amin’ny 28 oktobra. Nohazavain-dRahan­ta­ma­lala Sandrine, lehiben’ny departementa Serasera ao amin’ny Ravinala Airports, fa «fanehoana ny fanomezana tolotra tsara kalitao ny mpanjifa izao fotodrafitrasa ny Tar­mac 1 izao. Endriky ny fampiasam-bola mitodika ho an’ny hoavy. Ahafahana mandray sy mikarakara ny mpandeha sy ny kaompania tsara kokoa, azo antoka ary tsara indrindra». Tanteraka ireo vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpi­ara-miombon’antoka, toy ny Colas Madagasikara, ny Se­tec international ary ny Total Ener­gies. Tafiditra ao anatin’ny hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 izao paikady izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: