Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena na ny Tsenaben’ny Fokontany Betsizaraina. Maro ireo olo-manan-kaja tonga teny an-toerana. Hifarana ny alahady ho avy izao moa ity Foara be etsy Betsizaraina ity.
Hotanterahina ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao ny Marathon international de Tana (MIT), hetsika ara-panatanjahantena lehibe atao eto an-dRenivohitra. Mifanome tanana amin’ny fikarakarana izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD). Miaraka amin’izany hetsika izany koa ny fanamarihana ny andro tsy misy fandotoana, izay mitondra endrika vaovao amin’ny MIT, satria dia mampifandray ny fanatanjahantena sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika.
Amin’izao lalao famaranana ataon’ny Barea A’ amin’ny “Chan 2024” izao, betsaka ireo toeram-pivarotana zava-pisotro sy fisakafoana no mikarakara hetsika manokana mba hahafahan’ireo olona manjifa ny entana sy mijery baolina ao amin’izy ireo. Araka ny filazan’ireo tompona bara, fotoana iray izao miasa no sady manohana ny ekipa nasionaly.




