Ho fanamarihana ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana, omaly, nisy ny fivoriana niarahan’ny mpitsabo amin’ny alalan’izany sy ny mpamokatra fanafody avy amin’ny zavamaniry efa nahazoana ny Autorisation de mise sur le marché (AMM), teny Anosy. “Ny 90% ny mpitsabo nentim-pahazarana dia mampiasa zavamaniry avokoa ankoatra ny mampiasa otra sy ireo […]
Mois : août 2025
Seranan-tsambon’i Toamasina: Arahi-maso ny fampiharana ny kaody ISPS
Manara-maso ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny sambo sy ny seranan-tsambo na kaody ISPS ny Programa iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny seranan-tsambo (IPS) ny avy amin’ny Tafika an-dranomasina amerikanina U.S. Coast Guard. Nanatanteraka izany izy ireo ny herinandro teo ka nihaona tamin’ny ekipan’ny APMF Madagascar sy ireo […]
Namolavola boky torolalana ny Unicef: Zava-dehibe ny toeram-piasana manome lanja ny fianakaviana
Mampandroso ny toekarena ny fahafahan’ny mpiasa misitraka tohana sy fitsinjovana ny fiainam-pianakaviany satria afaka mamokatra am-pilaminana izy. Nanome toky ny fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) fa hampihatra ny boky torolalana manome lanja ny fianakaviana avy amin’ny Unicef. Nampahafantarina omaly, teny Antaninarenina, ny boky torolalana novolavolain’ny Unicef, hananan’ny orinasa tsirairay toeram-piasana […]
Fampivelarana ny talenta: Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy
Izao ariary ny hasintanana. Misy sarany ny fampianarana. Misy fandraisana anjara tahaka izao satria misy fandaniana atao… Tsy ireo velively no tian’ ny Malagasy henoina raha vao miresaka fampianarana zavakanto na kolontsaina. Ny azy, mila tolotra maimaimpoana hatrany. Fihetsika mametraka ny kolontsaina sy ny zavakanto ho tsinontsinona? Tsy misy sandany? […]
TARATRY ny KANTO
Fahatsiarovana an’i Vola sy Noro. Hanodidina izay ny « Sentimental », andiana hetsika karakarain’ny Hakanto Temporary eny Ankadimbahoaka, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaraka hikalo ireo hira nahafantarana an’i Vola sy Noro, araka izany, ireo mpankafy azy ireo. Hamelombelona ny fahatsiarovana ny taona maro nivalona sy ny vanim-potoana no marihin’ireo hiran’izy mirahavavy, […]




