Mois : août 2025

TSELATRA

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, afakomaly hariva, ny lehilahy 47 taona mpamily taxi-be zotra G. Tratra nihodina an-dalana izy ary tsy nanaiky nandray ireo mpandeha teo amin’ny fiantsonana. Nandrahona sy nanompa ny polisy izy rehefa nosakanana ary nosamborina sy nalefa any amin’ny biraon’ny CSP5 Mahamasina. Nogiazana vonjimaika […]

Fanolanana ankizy : Tovolahy 16 taona nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Mo­rarano, kaominina Andohara­nofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina […]

Fanafihana ao amin’ny disitrikan’Avaradrano : Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy miisa enina

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy enina rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, omaly. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vehivavy iray hafa, niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Misesisesy ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny disitrikan’Ava­radrano tato ho ato. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana ireto andian-jiolahy […]