Ny iray fantatra kokoa amin’ny « revy gilita », ny iray manan-talenta amin’ny jazz. Samy mpitendry gitara , mamoaka mozika hafa mihitsy anefa rehefa tafaraka i Joël Rabesolo sy i Erick Manana. Samy mpitendry gitara. Izay aloha no tena ahafantarana azy mirahalahy. Mety tsy mitovy ny fironana eo amin’ny mozika, saingy porofo […]
Mois : août 2025
FANTINA sy FINTINA
Manameloka ny fanelezana vaovao diso sy fanosoram-potaka ny seraseran’ny Primatiora. Tsy marina ny fanononana anaty tambajotran-tserasera sy fampifandraisana ny anaran’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’ny olona lazaina fa zanany lahy eto an-dRenivohitra. « Tsy manan-janaka mipetraka na mandalo eto ny praiminisitra », hoy ny fanambarana. Hifarana rahampitso ny andron’ny Vovonan’ny olon-dehibe « Journée nationale […]
Fikaonandoham-pirenena : Hifanatrika amin’ireo antoko politika ny Ceni
Nifarana omaly, tany Mahajanga, ny atrikasa nataon’ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene, tamin’izany fa hifanatrika amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana izy ireo. « Mbola hialohavan’ny atrikasa eny anivon’ny faritany aloha izany ary avy eo vao ny atrikasam-pirenena, ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. Maromaro ireo tolokevitra ary samy manana ny […]
Miara-mirona
Raikitra! Anio ny fotoana hanoratan’i Madagasikara tantara eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Mino sy matoky isika Malagasy fa hitondra ny amboara mody amin’ny lalaon’ny Chan, taranja baolina kitra. Tsy hisy ahatohitra akory izany hafanam-pon’ny vahoaka 30 tapitrisa izany. Onja miabo faobe no entintsika manohana ny maherifontsika. Miara-mirona ara-bakiteny. Vanim-potoana ny […]
Minisitra Rasata Rafaravavitafika : « Fakan-tahaka ho an’ny fampandrosoana i Singapour »
Noraisin’ny praminisitr’i Singapour, Lawrence Wong, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, afakomaly. Nivoitra tamin’izany ny dingana vitan’ity firenena ity. Nifanakalozana teo amin’ ny roa tonta tamin’izany ny resaka fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy tomponandraiki-panjakana avy any Singapour sy i Afrika «Singapore–Africa Ministerial Exchange Visit – Samev» […]




